Collections

Roa isan-taona no fotoana lehibe ho an’ny collection : amin’ny Paska ary amin’ny fidiran’ny mpianatra.

Aigle d’Or dia miara-miasa hatrany amin’ireo mpanakanto malagasy manan-talenta mba hamorona collection miavaka sy feno. Kapa, asa tanana vita amin’ny hoditra ary akanjo, izay mankalaza ny famoronana eto an-toerana.

Ny maodely tsirairay dia mampiray ny fijery ara-javakanto an’ireo mpamorona sy ny maha-izy azy an’i Aigle d’Or. Mifandanja izany ny maoderina sy ny fahaiza-manao nentin-paharazana, izay fitaratry ny kolontsainay.

Azonao jerena dieny izao ny collection natao manokana amin’ny fankalazana ny faha-60 taona, izay aingam-panahy avy amin’ny lohahevitra “Lova”.