Ho an’ny Lehilahy
Kapa
Tsotra nefa azo antoka. Natao ho an’ny lehilahy maoderina manome lanja ny fihaviany, ny kapa Aigle d’Or dia mafy ary mitondra ny lova nentim-paharazana.
Malaza noho ny faharetany sy ny fahamafisany, ny mules Aigle d’Or dia misy amin’ny loko isan-karazany, mifanaraka amin’ny toe-ponao andavanandro.
Tsotra sy azo antoka. Maivana, mampahazo aina ary lamaody, ny tongs 100% hoditra Aigle d’Or dia manaraka anao amin’ny fotoana rehetra, isan’andro na aiza na aiza.
Kiraro
Ry lehilahy, avelao ny baskets sy boots anay haka ny fonao ! Mety amin’ny vanim-potoana rehetra izy ireo; mampahazo aina ary maharitra.
Ny kanto ! Ny kiraro fanaovana an-tanan-dehibe Aigle d’Or 100% hoditra dia tena ilaina mba hampiseho ny maha-izy anao amin’ny fotoana rehetra, ary hita tsara ireo endrika mampiavaka azy.
Maroquinerie
Tafiaraka anaty vokatra iray ny lamaody sy ny hatsaràna ! Ny kitaponay ho an’ny lehilahy dia manampy ny endrikao isan’andro.
Ny portefeuilles Aigle d’Or ho an’ny lehilahy, vita amin’ny hoditra 100%, dia natao ho namanao akaiky sy azo itokisana mandrakariva.
Ampio endrika manokana ny fitafianao miaraka amin’ny fehikibo Aigle d’Or ho an’ny lehilahy . Vita amin’ny hoditra 100%, tsotra sy maharitra, mety amin’ny fotoana rehetra.
Fitafiana
Misy tokoa ny tee-shirt lavorary. Tsotra, manaraka lamaody, coton 100%. Ny safidinay dia mifanaraka tsara amin’ny vokatra Aigle d’Or ankafizinareo.
Hafanana, fahazoana aina, sy toetra. Ny sweat-shirts anay dia malefaka sy manendrika tsara, mety tsara amin’ny andro mangatsiaka.
Ny casquettes Aigle d’Or dia tena ilaina ho an’ny endrika amin’ny andavanandro. Vita amin’ny coton malefaka, manaraka anao any amin’ny masoandron’ny morontsiraka na ao an-tanan-dehibe.