Lova nohavaozina ! Ny kapa Aigle d’Or dia manambatra ny fahaiza-manao malagasy sy ny lamaody maoderina, manatsara ny famindra tsirairay.
Hatsaràna anaty fahafahana. Ny mules anay no namana tsara indrindra ho anao : maivana, manara-damaody ary mampahazo aina manomboka ny maraina ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Tsotra nefa avo lenta ! Ny tongs 100% hoditra Aigle d’Or dia azo entina eny ivelany na koa anaovana ao an-trano.
Kiraro
Ny lamaody an-tanàn-dehibe, amin’ny endrika Aigle d’Or. Maoderina ary mampahazo aina ny baskets sy bottines vita amin’ny hoditra tena izy.
Ny kiraro misy talon Aigle d’Or dia azon’ny vehivavy entina miasa ary afaka entina amin’ny fotoana manan-danja ihany koa.
Maroquinerie
Na tsotra na manaraka ny lamaody, ny poketra Aigle d’Or dia miseho amin’ny endrika maro. Vita amin’ny hoditra na akora mifangaro, kely na lehibe, loko tokana na marevaka… misy izay ilaina rehetra.
Misy amin’ny endrika sy loko isan-karazany, ny portefeuilles 100% hoditra Aigle d’Or dia mitahiry ny zavatra manan-danja aminao ho akaiky anao foana amin’ny fotoana rehetra.
Ny fehikibo dia lasa kojakojan-damaody tena ilaina tato anatin’ny taona vitsy. Ato amin’i Aigle d’Or no hahitanao fehikibo 100% hoditra amin’ny endrika sy loko isan-karazany.
Fitafiana
Ny tee-shirt tsara no fototra ! Jereo ny modely coton 100%, natao hifanaraka tanteraka amin’ireo vokatra Aigle d’Or manan-tantara.
Ny lambahoany, fitafiana malagasy nentim-paharazana, dia azo ampiasaina ho fitafiana na koa ho lamba atao lafika amin’ny fitsangatsanganana.
Ny casquettes Aigle d’Or coton 100% dia manaraka anao amin’ny toerana rehetra.