Kalitaon’ny vokatra sy ny tolotra

Ato amin’i Aigle d’Or, voalamina tsara ny sehatra rehetra mba hiantohana ny kalitao.

Ny toerana fanangonana miparitaka manerana an’i Madagasikara no misafidy ireo hoditr’omby tsara indrindra, izay manaraka fepetra hentitra.

Ao amin’ny tannerie ao Anjeva, avadikay ho malefaka, maharitra ary matanjaka ireo hoditra, amin’ny fomba fanodinana nentim-paharazana sy manaja ny tontolo iainana.

Mihatra hatrany ny fanaraha-maso ny kalitao mandritra ny famokarana, ka miantoka ny fanoloran-tena sy ny fahaiza-manaonay amin’ny vokatra tsirairay.

Ny tetikasanay

mamolavola tolotra tsara kalitao eto an-toerana