Home » Aigle d’Or » Ny sehatra ny hoditra sy ny fahaiza-manaonay
Ny sehatra ny hoditra sy ny fahaiza-manaonay
Ny sehatry ny hoditra dia mampifandray ny fomban-drazana, ny fahaiza-manao nentim-paharazana ary ny fanavaozana. Izy io dia mampivondrona asa maro isan-karazany, izay samy ilaina amin’ny fandrosoan’ ity rojom-pamokarana ity.
Ny fanangonana hoditra
Dingana voalohany amin’ny rojom-pamokarana ny fanangonana hoditra. Ary miankina amin’ny fahaiza-manaon’ny mpanangom-bokatra, izay misafidy amin’ny fomba hentitra ny hoditr’omby, araka ny fepetra sy kalitao voafaritra.
Ny fanodinana hoditra
Misy dingana maro arahina ao amin’ny toeram-panodinana hoditra : anisan’izany ny fanadiovana ny hoditra, ny fanalefahana azy ary farany fandokona sy fanamarihana azy.
Ny mpanodina ato aminay dia manaja ny teknika nentim-paharazana sady mampiditra fanavaozana ihany koa mba hanatsarana ny kalitao sy ny faharetan’ny hoditra.
Ny famoronana
Manaraka ny lamaody sy ny filàn’ny mpanjifa, ny vokatray dia omena aina ao amin’ny cordonnerie : fanapahana, fanjairana, fametahana ary famaranana. Amin’ny dingana tsirairay, ny mpanao asa-tanana dia mampiseho fahaiza-manao avo lenta, fitandremana ary fijery amin’ny antsipiriany mba hahazoana vokatra tsara, izay mampiavaka an’i Aigle d’Or.
Fandefasana entana eny amin’ny magazay
Nohon’ny fisian’ny rojo fitsinjarana hentitra, dia afaka manome vokatra ireo magazay tsirairay amin’ny fomba mifanaraka amin’ny lamaody sy ny filàn’ny mpanjifa isam-paritra izahay.