Ny toerana misy anay

Tena mirehareha izahay fa efa miparitaka manerana an’i Madagasikara izahay.

Manana toerana fanangonana hoditra izahay ao Antananarivo sy any amin’ny faritra, izay ahafahana misafidy ny hoditra tena tsara.

Ao Anjeva no misy ny toeram-panodinana hoditra, izay manova ireo hoditra ireo ho tena avo lenta.

Ao Tanjombato/Ankaraobato kosa no misy ny ozinina famokarana kiraro sy kojakoja lamaody.

Any amin’ny magazay Aigle d’Or manerana ny nosy no ahafahan’ny Malagasy rehetra manjifa izay entana ilainy.

Ny magazay sasany dia atao franchise, ahafahan’ny mpandraharaha eo an-toerana manatevin-daharana an’i Aigle d’Or, miaraka amin’ny fanohanana sy ny fahaiza-manao avy aminay.

AIGLE D’OR dia efa manana fivarotana iray isaky ny tanàna lehibe eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2018.

Manodidina ny 30%-n’ny fivarotana dia ao afovoan-tanàna na eny amin’ny manodidina an’Antananarivo renivohitra.

Voasaraka amin’ny fomba mitovy ny fiparitahan’ny fivarotana manerana ny nosy, ka manana isan’ny fivarotana mitovy amin’ny faritra Avaratra, Atsimo, Atsinanana ary Andrefana ny marika.