Home » Aigle d’Or » Ny tontolo iainana
Ny tontolo iainana
Nous
Ny tetikasanay
mitandro ho faran’izay kely ny fiantraikan’ny asa ataonay eo amin’ny tontolo iainana.
Fanadiovana ny rano avy nampiasana (STEP)
Tetikasa mikendry ny hampihena ny fiantraikan’ny ozinina mpanodina hoditra amin’ny reniranon’i Ivovoka, amin’ny alalan’ny fampihenana ny rano alaina sy ny fampihenana ny loto amin’ny rano avoaka.
Fotodrafitrasa anatiny : laboratoara fitsapana anatiny, presse à boue, rafitra vaovao fanadiovana rano.
Manan-kery ny fahazoan-dalana avy amin’ny ANDEA momba ny fitsirihana sy ny fanariana ny rano nohavaozina, ary manan-kery ihany koa ny bokin’andraikitra avy amin’ny ONE.
Fitantanana rano sy angovo
Fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny rano sy ny angovo ho fampihenana ny fandaniana amin’ny famokarana hoditra ao Anjeva.
-46% ny fampiasana rano tamin’ny 2025 raha oharina tamin’ny 2024
1700 ny stères de bois voatahiry
Nohavaozina ny fotodrafitrasa mitondra herinaratra, ny fantson-drano, ny fantsona mitondra entona
Faritra maitso sy fambolen-kazo
Fambolen-kazo karakarain’i Aigle d’Or isan-taona, miaraka amin’ny kaominina Anjeva (toerana izay misy ny tannerie).
4600 hazo no efa voavoly nanomboka tamin’ny 2022.