Manifesto

Ato amin’i BOOST, mino izahay fa mendrika ireo marika tsara indrindra i Madagasikara.

Izany no antony andraisanay andraikitra hampifandray ny marika sy ny mpanjifa Malagasy – na aiza na aiza misy azy.

Tsy mijanona amin’ny fitsinjaràna fotsiny izahay, fa mampivoatra haingana ny marika amin’ny alalan’ny :

 

  • Lozistika matanjaka, miaraka amin’ny trano fitehirizana manerana ny nosy sy fiarabe afaka manome antoka ny fanaterana.
  • Rafitra fametrahana ny vidiny mazava ary azon’ny rehetra, manome antoka fa mifandanja ny fanjifana sy ny fahazoam-bola.
  • Vokatra voafidy sy voaomana araka ny tena filàn’ny tsena, mba hanomezana fahafaham-po bebe kokoa eny amin’ny toeram-pivarotana.
  • Ekipa eny ifotony voaofana, mahalala ny tena zava-misy eny ifotony, miaraka amin’ny  fitaovana moderina.

Ato amin’i BOOST, mino izahay fa ny fandrosoana dia tsara kokoa rehefa zaraina. Izany no antony iorenanay amin’ny fiaraha-miasa mafy, miorina amin’ny fihainoana, ny fanakaikezana ary ny finiavana iombonana.

Miaraka amin’i BOOST, lasa fahafahana ny fanambinao, ary ny fahombiazanao no reharehanay.

BOOST. Mampivoatra haingana

Ireo antoka omenay :