Mahatoky aho fa ny antoky ny fahombiazan’ny marika iray dia noho ny fiarahan’ny vokatra tsara sy ny fitsinjaràna mahomby.
Izany no antony mampahomby ny fiaraha-miasa amin’i BOOST sy ny marika JUMBO : namorona vokatra izay mamaly ny filàn’ny Malagasy ny GB Foods, ary mitsinjara izany manerana an’i Madagasikara hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra i BOOST.
Mirehareha amin’ity fiaraha-miasa ity izahay, ary hiaraka amin’i BOOST hanome fahafaham-po hatrany ny Malagasy.
Nanomboka tamin’ny taona 2000 ny fiaraha-miasa tamin’i JB, mbola nivarotra tany Ambanidia izahay tamin’izany. Nanomboka niara-niasa tamin’ny fomba tsotra indrindra izahay. Izahay no nitarika ny fivarotana JUMBO tamin’ny alalan’ny varo-mandeha.
Tamin’ny 2006, nanomboka ny asanay ho mpivarotra ambongadiny izahay ary voatendry amin’ny fomba ofisialy ho « Mpiara-miombon’antaka amin’i BOOST ». Nivoatra ny fiaraha-miasa, ka lasa fantsona manatitra vokatra mivantana any amin’ireo mpivarotra antsinjarany dieny ny ampitson’ny fangatahany izahay. Am-pireharehana sy fanetren-tena, dia afaka milaza aho fa nanana anjara biriky lehibe tamin’izany izahay.
Noho izany dia nahazo ny sata « Super Partenaire » izahay. Noho i BOOST, nahazo fiofanana sy fivoarana tsy tapaka hatrany ny orinasanay; ary isaorana anareo izany.
Tsaroako manokana ny vanim-potoana sarotra niainan’ny Tranombarotra Mahazo tamin’ny 2011-2012; saingy nanohana anay i BOOST. Tena « mpiara-miombon’antoka » tokoa.
Misaotra noho ny fisianareo ary manantena aho fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasantsika.