Ny asa sy ny fahaiza-manaonay

Ato amin’i BOOST, ny fahaiza-manaonay dia miorina amin’ny fifehezana  ireo andry fototra telo : fandraharahana, fitaterana sy fitsinjaràna (logistique), ary varotra (marketing).

Ny ekipan’ny varotra

Matanjaka sy mavitrika izy ireo, miparitaka manerana ny nosy ary mitana andraikitra lehibe amin’ny fampivoarana ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Satria mahafantatra tsara ny tsena, dia mihaino akaiky ny filàn’ireo mpivarotra sy fivarotana lehibe ny ekipanay, ka manolotra vahaolana mifanaraka amin’ny tsirairay. Ankoatra izany, miantoka izy ireo mba hahazo tombony avokoa ireo toeram-pivarotana tsirairay, hahazoana antoka fa hita tsara ny vokatra ary ho tsara kokoa hatrany ny traikefan’ny mpanjifa

Ny fitaterana sy ny fitsinjaràna

Io no fo mitempon’ny rafitra fitsinjaranay. Miaraka amin’ny tambazotra mivelatra sy fotodrafitrasa mahomby, dia afaka miantoka fanaterana haingana sy azo antoka izahay, hatramin’ny faritra lavitra indrindra eto Madagasikara. Ny rojo famatsiana izay voalamina tsara dia miantoka ny fahazoana tahiry hatrany, na dia amin’ny vokatra saro-pady indrindra aza, ka misoroka ny tsy fahampiana ary manampy ihany koa amin’ny fitsitsiana vola ho an’ny mpiara-miombon’antoka.

Ny ekipan’ny varotra (marketing)

Ny tanjonay dia ny hanolotra vokatra isan-karazany sy tsara kalitao. Miara-miasa akaiky amin’ny mpiara-miombon’antoka ny ekipanay mba hamantarana ireo vokatra tena ilaina sy ireo vokatra vaovao andrasan’ny mpanjifa. Amin’ny alalan’ny fampifangaroana ireo marika lehibe iraisam-pirenena sy eto an-toerana, dia manolotra vokatra mihoatra ny 30 marika amin’ny sokajy 10 izahay, izay mamaly tsara ny hetahetan’ny mpanjifa.

Agriculture

Filière légumes 

Filière cuir

Filière Lait

Nouvelles filière agricoles

Industrie

Conserves de légumes

Chaussures
Maroquinerie
Textile
Produits ultra-frais
Produits laitiers secs
Nutrition infantile

Goûters sucrés
Snackings salés
Confiserie

Aliments
thérapeutiques

Distribution

BtoB
en Europe

Boutiques en propre

Réseau traditionnel sec et frais
Modern trade
Représentation de marques

Ireo manam-pahaizana ato aminay

Hery

Chef de Secteur

2016 : Niditra tao amin’ny SOCOLAIT izy, tamin’ny toerana maro samihafa : mpamily, mpanentana ary teknisianina-mekanika.

2018 : Lasa commercial tao amin’ny SOCOLAIT .

2018 : Nisondrotra ho Chef secteur tao amin’i BOOST, volana iray monja taorian’ny nanombohany ny asany.

Tojo

Chargée de clientèle

2009 : Niditra tato amin’ny vondrona amin’ny toeran’ny Chargée clientèle izy, ary nampiroborobo ny vokatra sy ny tolotr’i JB sy SOCOLAIT nandritra ny 14 taona.

2023 : Nisondrotra ho Responsable ordonnancement.

Nahary

Manager des ventes sec

2012 : Niditra tato amin’i BASAN ho Chef Secteur tany Toamasina ary voafidy ho mpivarotra mahay indrindra tao amin’ny faritra Atsinanana.

2013-2014 : Nisondrotra ho Chef de Région ho an’ny faritra Andrefana sy Sofia.

2015 : Niakatra ho Chef de Zone tao Antananarivo.

2016-2018 : Nitana ny toeran’ny Chef de Zone ho an’ny faritra Atsimo.

2019-2020 : Niakatra ho Manager de Zone ho an’ny faritra DIANA, SAVA ary Atsinanana.

2021-2022 : Nitarika ny BOOST Académie, sekoly fampiofanana anatiny, mikendry ny hampivelatra ny fahaiza-manaon’ny mpiasa, mifanaraka amin’ny tanjon’i BOOST, izay sampan’ny fitsinjaràna an’i BASAN.

2023 : Lasa Manager des ventes SEC.