BOOST dia mpiara-miombon’antoka stratejika ho an’ireo marika eto an-toerana sy any ivelany izay maniry hivelatra maharitra eto Madagasikara.
Ny iraka tanterahinay : mampivoatra haingana azy ireo amin’ny alàlan’ny fiantohana ny fisian’ny vokatra, na eny amin’ny làlam-barotra nentim-paharazana na maoderina, manerana ny nosy.
Mba hahatrarana izany dia mampiasa fomba fitsinjarana mirindra izahay (toeram-pitehirizana isam-paritra, fanaterana 1 andro aorian’ny komandy), herim-pivarotana manakaiky ny mpanjifa, fanohanana ara-barotra voaomana tsara ary fitaovana nomerika mifandray amin’ny eny ifotony.
Miantoka tambajotra manerana ny nosy izahay, miaraka amin’ny vokatra voafantina tsara sy amin’ny vidiny mazava tsara, mba hamoronana sanda ho an’ny rohy tsirairay ao anatin’ny rojo fitsinjaràna.