Ny karazan’ny vokatra

Miaraka amin’ny tolotra maro isan-karazany, miantoka ny BOOST fa mamaly ny fangatahan’ny mpanjifa Malagasy rehetra, manomboka amin’ny sakafo matsiro ka hatramin’ny zavatra ilaina isan’andro, ary manolotra vokatra tsara kalitao hatrany.

Ho an’ireo fotoana mahafinaritra, manolotra sakafo matsiro, toy ny tsakitsaky, goûters sy vatomamy. Ny sôkôla sy ny siligaoma ohatra dia mety tsara rehefa noana na tia hankafy mamimamy.

Ny vokatra vita amin’ny ronono dia ahitana karazana yaourt, vokatra azo avy amin’ny « crèmerie » ary fromazy isan-karazany. Manana vokatra ilaina isan’andro toy ny koba misy ronono, ronono mandry mamy ary vovon-dronono koa izahay, izay mamaly ny filàn’ny fianakaviana Malagasy.

Ho fanatsarana ny tsiron’ny sakafo rehetra, manolotra « bouillons cubes » izahay, akora tsy maintsy ilaina hanamafisana ny tsiron’ny sakafo nentim-paharazana.

Ny karazana zava-pisotro atolotray dia ahitana kafe levona anaty rano sy tonga dia vonona, mba hanomezana fotoana fialan-tsasatra feno tsiro, na ao an-trano na any amin’ny toeram-piasana.