Ny biraonay ao Tanjombato no foiben’ny tambajotranay amin’ny fitsinjaràna.
Maoderina sy azo antoka izy io, ary ivondronan’ny fandraisana, fitehirizana ary fanomanana ny entana ho alefa an’ny faritra rehetra.
Mifandray amin’ireo trano fitobiana entana isam-paritra miparitaka amin’ireo lalana be mpandalo sy be mpivarotra eto amin’ny firenena izy; izay miantoka fisianay eny ifotony.
Isan’andro, fiarabe marobe no mizara ara-potoana ny entana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka aminay, na aiza na aiza misy azy ireo (anisan’izany ireo kamiao misy vata fampangatsiahana).
Noho io fandaminana io, BOOST dia miantoka ny fisian’ny vokatra, amin’ny fotoana sy amin’ny toerana rehetra, manerana an’i Madagasikara.