Kalitaon’ny vokatra sy ny tolotra
Ato amin’i JB, tanjonay ny ahavita mihoatra lavitra noho izay andrasan’ny mpanjifa aminay, mba hanairana sy ahafaly azy ireo, amin’ny alalan’ny fanomezana traikefa miavaka izay mifototra amin’ny kalitao avo lenta, ny fanavaozana, ary ny tontolo manan-karenan’ireo marika JB.
Mampiasa vola amin’ny teknolojia avo lenta sy ny fomba fanao maharitra izahay, mba hiantohana ny kalitao, ny fiarovana ary ny fanarahamaso ny vokatray rehetra
Ny tetikasanay
mamolavola vokatra sy tolotra tsara kalitao eto an-toerana
Laharana maitso
Afahan’ireo mpanjifa mandefa fitarainana sy maneho soso-kevitra (azo antsoina ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma)
+261 32 32 031 03
Fampandrosoana ny sehatra fambolena eto an-toerana : mangahazo sy katsaka
Ho an’ny famatsiana akora fototra sy ho fanohanana ireo tantsaha malagasy
210 Mpamokatra mangahazo
Fanamarinana ISO 22000
Fenitra iraisam-pirenena miantoka ny fitantanana ny fiarovana ara-tsakafo amin’ny dingana rehetra mandritra ny famokarana
Fanamarinana azon’ny ozinina mpamokatra biscuit sy vatomamy tamin’ny 2024
Tanjona amin’ny 2027 : Fahazoana fanamarinana ho an’ireo ozinina 3
Fanamarinana HACCP
Fomba famantarana, fanombanana ary fifehezana ny loza ara-tsakafo mety hitranga
Ny ozinina 3 dia efa nahazo fanamarinana nanomboka tamin’ny 2021
Kalitaon’ny vokatra – Tahan’ny siramamy
Ho fanomezana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny mpanjifa
Nahena 10 ka hatramin’ny 50% ny
tahan’ny siramamy amin’ny vokatra 10
Kalitaon’ny vokatra – Tahan’ ny menaka na “matière grasse”
Ho fanomezana safidi-tsakafo isan-karazany nefa tsy manova ny tsirony
Nahena 7% ka hatramin’ny 57% ny tahan’ny
menaka amin’ny vokatra 18