Ato amin’i JB, ny fahaiza-manaonay dia miorina amin’ny soatoavina. Manomboka amin’ny famokarana, ny fikarohana sy fampandrosoana (R&D), ny fividianana akora, ny teknika ara-barotra ka hatramin’ny fitsinjaràna.
Anisan’ireo orinasa lehibe eo amin’ny sehatry ny sakafo eto Madagasikara izahay. Miavaka amin’ny fanamboarana biscuits, tsakitsaky, sôkôla, vatomamy ary siligaoma. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny kalitao sy fiarovana izahay, izay miantoka vokatra matsiro sy azo antoka.
anisan’ny andry fototry ny orinasanay ny fizarana. Miaraka amin’i BOOST sy ny tambajotranay, ary vokatry ny fandrindrana mahomby sy tambanjotra fitateranay , dia manome vokatra tsara sy ara-potoana izahay, hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra aza, ary tsy misy miova ny kalitaon’ny vokatra tonga any amin’ny mpanjifa.