Efa ho 60 taona mahery izao no niforonan’ny orinasa, rehefa nanafatra ny milina manara-penitra voalohany teto Madagasikara ny mpanorina azy, miaraka amin’ny faniriana hanome biscuits matsiro sy mifanaraka amin’ny fenitra maneran-tany ho an’ny Malagasy.
Hatramin’izay dia notohizan’ireo mpitondra nifandimby izany vina izany, ka niteraka vokatra sy marika tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny Malagasy.