Ny ankamaroan’ny vokatra JB dia amboarina eto Madagasikara any amin’ny ozinina roa.
Ny ozinina mpamokatra biscuits sy vatomamy ao Amboditsiry, no ozinina mpamokatra biscuit voalohany teto amin’ny nosy, ary manana fitaovana avo lenta hiantohana vokatra tsara kalitao sy ara-pahasalamana.
Ny ozinina ao Tanjombato, mpamokatra tsakitsaky masira toy ny chips, dia mampiasa milina manaraka fenitra ihany koa; izay hiantohana vokatra tsara kalitao isaky ny dingana rehetra amin’ny famokarana.
Maneho ny fahaiza-manaonay ireo fitaovana ireo, afahanay manolotra vokatra matsiro sy ara-pahasalamana, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.