Ny tetikasanay
Fanadiovana ny rano maloto
Fanadiovana mifanaraka amin’ny fenitra, alohan’ny hamerenana ny rano eny anivon’ny tontolo iainana
100% ny rano maloto avy amin’ireo ozinina 2 no voadio tanteraka
Fanodinana fako ho savony sy ranon-dio
Fanodinana ireo menaka avy nampiasana ho lasa savony fanasan-damba ao amin’ny ozinina. Fanodinana fako avy amin’ny akora fototra (biscuit, vatomamy) ho lasa akora fanadiovana ao amin’ny ozinina
1600 ny isan’ny savony 1kg novokarina tamin’ny 2024
2750 litatra ny désinfectant novokarina tamin’ny 2024
Fanodinana fako ho pavés autobloquants
Fanodinana ireo fako plastika ho lasa pavés mateza hanamboarana ireo lalan-kely ao Amboditsiry
Mpiara-miasa : GYPSUM, AIM’ALA
40 aonina ny fonosana plastika voahodina isan-taona nanomboka tamin’ny 2021
Miodina amin’ny ampahany amin’ny alalan’ny angovo azo avy amin’ny masoandro ny ozinina ao Amboditsiry
1023 ny takelaka napetraka
20% amin’ny filàn’ny ozinina dia azo avy amin’ny angovo azo havaozina