Iza moa no tsy mahalala ny BOLO, ilay biscuit boribory mifono chocolat ? Mahafaly taranaka maro eto Madagasikara ary mamorona fahatsiarovana feno fitiavana.
Ankehitriny, dia tafiditra ao amin’ny fianakavian’i Mini Choco i BOLO , ilay sôkôla tena ankafizin’ny Malagasy. Ary tsy mifarana eo izany ! Ireto misy vaovao mampientam-po :
BOLO Donut, ilay donut mikarepoka indrindra
BOLO Coeur, ilay sôkôla mamy sy mikarepoka, entina maneho fitiavana amin’ny fomba miavaka.Ireo famoronana ireo dia manitatra ny vokatray sy mitondra fahafinaretana vaovao azo ifampizarana, ka manova ny fotoana tsotra ho lasa traikefa mamy sy mahafinaritra.