Tsindrin-tsakafo mamy​

GOUTY, marika biscuits mamy, manome tsiky sy fahafinaretana ho an’ny fianakaviana Malagasy nandritra ny 25 taona mahery. Miaraka amin’ny tsiro isan-karazany sy firafitra manokana, avy amin’ny fahaiza-manao tokana amin’ny fanaovana biscuit eto Madagasikara, manome fotoana miavaka sy mamy ho an’ny tsirairay, manome hafaliana sy manatsara ny andavanandro.​
FREGO, gaufrettes fanta-daza erak’i Madagasikara. Maneho tanteraka io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny firafitra mitsako tsara sy crème be tsiro. Mandrafitra ihany koa ny fianakavian’i GOUTY.


4×4, marika biscuits mamy novolavolaina manokana ho namana akaiky isan’andro ho an’ny ankizy sy olon-dehibe, na any an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Manolotra tsindrin-tsakafo manome hery sy mora vidy izy. Ny teny fanevany hoe “Tairo ilay 4×4 ao anatinao“, dia manasa antsika hamoaka ny herintsika sy hiatrika ny andavanandro amim-pitokisana sy herim-po.

Te hivarotra ny vokatray ve ianao ?