Izany no antony, efa ho 35 taona izao, no anohizanay ny fampiharana fomba fambolena nentim-paharazana sy manaja ny tontolo iainana, miaraka amin’ireo mpamokatra mpiara-miombon’antoka 15.000 sy amin’ireo toeram-pambolenay. Fomba izay manampy anay hanandratra ny vokatra avy amin’ny tany malagasy, ho an’ny mpanjifa sy tsena manara-penitra ao amin’ny Vondrona Eropeana.
Satria isan’andro dia miezaka izahay manome aina ny tany sy mamelona ny aina. Rehefa misafidy an’i LECOFRUIT ianao dia misafidy legioma avy amin’ny sehatra mandray andraikitra, izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.
Io no Antoka omenay, izay hazavainay eto.
Izay no iantsoanay azy hoe Tany ho an’ny ho avy – Terre d’Avenir.