Ny asa sy ny fahaiza-manaonay

Voafehinay ny rojom-pamokarana, manomboka any amin’ny tantsaha ka hatrany ambony latabatra fihinanana. Ny maodely mirindra ampiasainay no ahafahanay manara-maso sy manamarina tanteraka ny vokatra, sy anoloranay sakafo ara-pahasalamana avy amin’ny sehatr’asa manaja tontolo iainana.

Fambolena

Manohana ireo mpamboly mpiara-miombon’antoka 15 000 izahay, izay mitazona sy mampita fomba fambolena maharitra sy manaja ny tontolo iainana. Eo anilan’izy ireo, misy teknisianina 500 voaofana manokana amin’ny agroécologie, miandraikitra ny fanampiana sy fanarahamaso isan’andro mba hiantohana fa voahaja ireo fomba fambolena napetraka. Ireo fomba maharitra ireo koa dia ampiharinay ao amin’ireo toeram-pambolena tantaninay manokana, ho an’ny vokatra vaovao toy ny asperges sy cornichons. Ao amin’ireo toeram-pambolenay ireo ihany koa no anatanterahanay ny andrana rehetra amin’ny sehatry ny fambolena mba hivoarana hatrany.

Indostria

Ao ambadiky ny legioma voahodina tsirairay dia misy ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ny ekipa indostrialy. Ny toerana famokarana roa anananay no manodina ny vokatra isan’andro. Ny dingana tsirairay dia tanterahina am-pahitsiana sy am-pitandremana, mba hitazonana ny kalitao voajanahary, ny firafitra ary ny tsiron’ny legioma. Noho ny rafitra fanaraha-maso dia afaka miantoka izahay fa mifanaraka amin’ny fenitra eropeana (IFS, BIO UE, sns.) ny vokatra, ary ankoatra izany dia miezaka hatrany hampihena ny fiantraikan’ny asanay amin’ny tontolo iainana izahay.

Fitsinjarana

Ny rojo fitsinjarana voarindra dia miantoka ny fitaterana ny vokatra any ivelany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny sampan’asa frantsay Velona. Ny ekipa mpivarotra dia manohana ny mpanjifa amin’ny dingana rehetra : fampiroboroboana ara-barotra, fanaraha-maso ara-lozistika, fikarohana momba ny tsena ary fanohanana amin’ny marketing.