Group-1117.png

Ny mpamokatra mpiara-miombon’antoka aminay

Efa 35 taona izao no nanohananay ny fambolena nentim-paharazana sy mandray andraikitra miaraka amin’ireo mpamokatra ao amin’ny faritra afovoan-tany eto Madagasikara, izay misy ny tanimboly mirefy manodidina ny 1 000 hektara.
Ny mpamokatra tsirairay dia manana fifanarahana manokana izay miantoka ny vidim-bokatra mialoha ny fotoam-pambolena sy ny famatsiam-bola ho an’ny fitaovana sy ny zezika. Amin’ny alalan’ny tany mirefy 165 m², dia voaaron’ity fiaraha-miasa ity ny fidiram-bola raikitra sy fanampiny azy ireo, ary arahin’ny teknisiana agroekolojika 500 an’ny orinasa amin’ny fikarakarana ny voly.

AngonIna amin’ny tanana ny vokatra, rehefa matotra tsara, ary aterina isan’andro any amin’ny foibe fanangonana. Avy eo dia entina haingana any amin’ireo ozinina ao Antananarivo sy Antsirabe mba hiantohana hatrany ny kalitaon’ny vokatra.

Ao anatin’ity paikady maharitra ity ihany koa, isan-taona dia mamokatra zezika voajanahary 50 000 taonina izahay mba hanatsarana ny tanimboly sy hanohanana ny fambolena izay manaja ny tontolo iainana.