Group-1117.png

Ny toerana misy anay

Ny asanay dia miparitaka amin’ny faritra 3 aty amin’ny ampovoan-tany malagasy, ao anivon’ny tany lonaka izay tena mety amin’ny famokarana legioma.

Ny mpamokatra mpiara-miombon’antoka aminay dia mamboly ireo legioma amin’ny tany kelikely sy antonony, ary manaja hatrany ny fomba amam-panao nentim-paharazana amin’ny fambolena legioma.

Ny toeram-pambolena tantaninay kosa dia ahafahanay manatsara sy mampivelatra ny fomba fambolena mitsinjo ny ho avy ary koa manatsara ny paikady teknika ampiasana.

Ny ozinina fanodinana 2 ampiasainay, izay mipetraka ao afovoan’ny faritra famokarana, dia miantoka ny fanodinana voafehy sy ny fahafahana manara-maso ny lalan’ny vokatra hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany :
– toerana indostrialy iray ao Antananarivo,
– toerana indostrialy iray ao Antsirabe.

Group-1117.png

Nos implantations

Nos activités sont réparties sur 6 régions des Hauts Plateaux malgaches, au plus près des terres fertiles où nos légumes prennent racine. Notre implantation locale et intégrée nous permet de garantir des produits tracés, responsables et de haute qualité, tout en soutenant durablement l’agriculture malgache.

Nous collaborons avec 15 000 producteurs partenaires, qui cultivent nos légumes sur leurs parcelles, dans le respect des traditions maraîchères.

Pour garantir une complémentarité agricole et préparer les pratiques de demain, nous exploitons 6 fermes intégrées qui nous permettent d’expérimenter et d’optimiser nos itinéraires techniques.

Nos 2 usines de transformation, situées au cœur de nos bassins de production, assurent une transformation maîtrisée et une traçabilité totale :
– une conserverie à Antananarivo, dans le quartier de Tanjombato,
– une conserverie à Antsirabe.