Ny ronono
no loharanon-kery ho anay.
Herin’ny fivoarana,
Hery manosika hanao mihoatra
Hery ahafahana mankafy ny fiainana.
Ato amin’i SOCOLAIT, miahy io hery io izahay
Izay avy any an-tendrombohitr’i Vakinankaratra
Hamafisina, hatsaraina,
mikaroka hatrany izahay
mba hahazoana vokatra tena tsara
Vokatra feno hery,
feno tsiky,
Ary mizara fotoana feno hafaliana tsy hay hadinoina
ho an’ny Malagasy rehetra.
SOCOLAIT. Mankalaza ny herin’ny fiainana
Ny yaourts
Fantaro ny karazana yaourts vokarinay vita amin’ny ronono velona avy any Antsirabe, mety tsara ho an’ny fianakaviana manontolo !
Mampatsiahy ireo fotoana mamy mandritra ny goûter miaraka amin’ny fianakaviana ireo yaourts vokarinay. Noho izy ireo malefaka, dia manome fahafinaretana feno, no sady mamelombelona ary manome hery
Ny Double Crème, izay marihatra tsara, dia mitondra fahafinaretana sy hafaliana ao am-bavanao.
Vita amin’ny ronono velona sy voankazo, ny O’Fruits dia toy ny tara-masoandro ao anatin’ny andronao : mamy ary tena heno tsara ilay tsirom-boankazo.
Ary ho an’ireo mankafy fiainana, andramo ny yaourt à boire Yao, manana tsiro tena miavaka ary mampangatsiatsiaka.
Ho anareo mikarakara vatana, ActiBio no yaourt 0% natokana ho anareo. Tsy misy menaka sy feno bifidus, ary manampy amin’ny fitandrovana ny fahasalamana sy ny fiasan’ny tsinay.
Ny fromazy
Ampio kanto sy tsiro teny izy ny sakafonao miaraka amin’ny fromazy vokarinay, niainga avy amin’ny tanin’Antsirabe sy novolavolaina am-pitiavana.
Isaky ny mihinana dia tsapa ny haren’ny tanindrazana sy ny ezaka nataon’ireo mpamokatra nahavita nanova ronono ho lasa vokatra miavaka.
Na ny fromazy mafimafy, na malefaka, dia samy manolotra traikefa miavaka feno tsiro sy feno hafaliana avokoa.
Ny crèmerie
Ny dibera-nay, na malefaka na demi-sel, dia mampahatsiaro maraina milamina any ambanivohitra.
Misy ihany koa ny crème fraîche matevina sy malefaka; izay novolavolaina avy amin’ny hatsaran’ny tontolo iainana any Antsirabe.
Ronono mandry mamy
Ny ronono mandry mamy vokarinay ihany no vita avy amin’ny ronono velona. Marihitra sy matevina tsara izy ary mety ho an’ny mofomamy, ny zava-pisotro na ny tsindrin-tsakafo. Manome tsiro miavaka ny andavanandron’ny Malagasy ny ronono mandry mamy vokarinay, nandritra ny 50 taona.
Ny Ronono
O’lait no akora tena tsara hanomezana tsiro miavaka sy malefaka ny sakafo rehetra, toy ny lasopy, saosy isan-karazany, na zava-pisotro.
Manome tsiro tsy manam-paharoa ho an’ny tsiron-tsakafo rehetra izy.