Satria anisan’ny marefo indrindra maneran-tany ireo vondrom-piarahamonina kendrenay, dia tsy maintsy atao fototry ny asa rehetra ny kalitao.
Ny fahafaham-pon’ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ny programa ara-tsakafo no tanjona fototra. Miezaka izahay mametraka, mitazona ary mampivelatra rafi-pitantanana hahazoana antoka fa voaaro sy manara-penitra ny sakafo vokarinay.
Ny fifehezana ny kalitaon’ny sakafo dia manomboka amin’ny fisafidianana ny mpamatsy akora fototra hatramin’ny fitsirihana ny vokatra vita.
Ny tetikasanay
mamolavola tolotra tsara kalitao eto an-toerana
FSSC 22000
Fanamarihana maneho ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny sakafo, ny kalitao, ny fanarahana fenitra ary ny fanatsarana maharitra.