Home » Tanjaka Food » Manifesto
Manifesto
Mitombo. Mianatra. Manonofy ny ho avy.
Eto Madagasikara, 40%-n’ny ankizy no mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.
Tsy manaiky io zava-misy io izahay ato amin’i TANJAKA FOOD.
Amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny tambazotra PlumpyField®, miaraka amin’ny fahaizan’ny vondrona BASAN ary ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miatrika eo amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fahasalamana eto an-toerana, dia mamokatra vokatra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izahay, mba ho azon’ireo marefo indrindra, ary hanampy ireo miasa eny ifotony.
Satria ny fiainana tsara kokoa anio sy rahampitso dia manomboka amin’ny sakafo sahaza dieny fahazazana, dia ataonay laharam-pahamehana tanteraka ity iraka ity.
TANJAKA FOOD. Manome aina ny ho avy, mihetsika anio.