Ny iraka tanterahinay

« Mendrika ny hitombo tsara ny zaza tsirairay. »

Randianina Rasoamiaramanana, Tale TANJAKA FOOD

Ato amin’i Tanjaka Food, manana finiavana lehibe izahay : ny hahafahan’ny zaza tsirairay mitombo tsara anio sy rahampitso.

Ato anatin’ny firenena iray izay  mahatratra 40% amin’ny ankizy no mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary manodidina ny 70% amin’ny mponina no miaina ambanin’ny fetran’ny fahantrana, dia mamokatra eto an-toerana, vahaolana ara-tsakafo tonga dia ampiasaina izahay, izay mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ho valin’ny filàn’ireo marefo indrindra.

Miaraka amin’ny fanohanan’ny vondrona BASAN sy ny tambazotra PlumpyField®, dia miantoka fizarana haingana sy mahomby izahay miaraka amin’ireo ONG sy mpisehatra amin’ny fahasalamam-bahoaka.



TANJAKA FOOD dia mino ny herin’ny fiaraha-mientan’ireo mpandray anjara lehibe toy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina, mba hanafaingana ny asa eo amin’ny sehatry ny sakafo ara-pahasalamana eto Madagasikara.

Nampiseho fanamby mazava i Madagasikara nandritra ny Sommet Nutrition for Growth (N4G) tamin’ny Martsa 2025 tany Paris :

  • Hampihena ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka : 40% ho 25% amin’ny taona 2030
  • Hampihena ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika : 8% ho 3% amin’ny taona 2030
  • Hampiditra ny sakafo ara-pahasalamana ao anatin’ny programam-pambolena rehetra
  • Hanokana vola isan-taona avy amin’ny teti-bola nasionaly ho an’ny sakafo ara-pahasalamana manomboka ny 2025 ka hatramin’ny 2030

Hanamafy ny fiaraha-miasa iraisan’ny sehatra maro amin’ny alalan’ny fifanekena ny sata fiaraha-miasa.

Notre mission

«  Chaque enfant devrait avoir la chance de bien grandir.»
Randianina Rasoamiaramanana, Directrice TANJAKA FOOD
Chez Tanjaka Food, nous avons une ambition forte : permettre à chaque enfant de mieux grandir aujourd’hui et demain.
Dans un pays où 1 enfant sur 2 souffre de malnutrition, nous agissons en fabriquant localement des solutions nutritionnelles prêtes à l’emploi, conformes aux normes internationales, pour répondre aux besoins des plus vulnérables.
Soutenus par le groupe BASAN et le réseau PlumpyField®, nous assurons une distribution efficace auprès des ONG et des acteurs de la santé publique.