Home » Tanjaka Food » Ny vehivavy sy lehilahy manodidina anay
Ny vehivavy sy lehilahy manodidina anay
Mihoatra ny fanjariantsakafo ny iraka tanterahinay. Ny fiantohana fepetra mendrika amin’ny asa, ny fanomezana lanja ny fahaiza-manao eto an-toerana, ny fanampiana amin’ny fampivelarana fahaiza-manao ary ny fanohanana ireo fiarahamonina manodidina anay no mahatonga an’i TANJAKA FOOD ho mpiara-miombon’antoka mandray andraikitra.
Satria ny fanampiana ny hafa hiroborobo, dia dingana iray iarahana mandroso ihany koa.
Ny tetikasanay
mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny lehilahy manodidina anay
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy : antom-pisianay
Io no antom-pisian’ny orinasa sy ireo mpiara-miasa rehetra miara-miady aminay.
1 500 000 ny ankizy efa nahazo tombontsoa nanomboka ny taona 2009.
Industrie Académie
Manana andraikitra hampivelatra ny ekipan’ny fikojakojana amin’ny fanomezana azy ireo fitaovana sy fahaiza-manao vaovao.
32 teknisiana no efa voaofana nanomboka tamin’ny 2023