Manome aina ny tany sy mamelona ny aina.

Ny haricots, cornichons, asperges ary artichauts vokarinay dia maniry amin’ny tany; angonina isaky ny maraina izy ireo ary alamina amin’ny tanana.

Hatramin’ny 1989, nitahiry ny fomba fambolena nentim-paharazana niaraka tamin’ireo tantsaha mpiara-miombon’antoka 15 000 izahay; niaraka tamin’izy ireo, nametraka fomba fiasa mitovy amin’ny modelin’ny koperativa izahay. 

Tsy mitsahatra mikaroka fomba fambolena vaovao izahay amin’ny alalan’ny voly andrana maro. Miaraka amin’ny rantsanay antsoina hoe VELONA dia manjinjara ny vokatray izahay, izay hanomezanay toky fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Io modely ampiasainay io dia miantoka ny fanaraha-maso ny lalam-bokatra, ka ahafahanay mamboly, manodina, ary mizara ny legioma tsy misy ahiahy.

Efa fanta-daza manerana an’i Eoropa ny kalitaon’ny legioma marobe atolotray, ary nahazo ny fahatokisan’ireo mpaninjara sy mpanjifa any ivelany. Izany, ohatra, no nahatonga anay ho anisan’ireo mpamokatra voalohany manerantany, “haricots verts extra-fins” azo avy amin’ny fambolena nentim-paharazana sy bio (Label AB).