Ny soatoavinay

Ny fidirana ato amin’i BASAN dia midika hoe miditra ao amin’ny orinasa izay mametraka ny lehilahy sy ny vehivavy ho ivon’ny tetikasany.

Ireo soatoavina ireo no maha-izy anay ary iainanay isan’andro.

Fifanajana

Hentitra amin’ny tenanay sy amin’ny hafa, nefa koa mandray tsara ny olona hafa. Manome lanja ny tsirairay izahay : ny ekipa, ny mpanjifa, ny mpiara-miombon’antoka. Miezaka izahay miaro ny tontolo iainana ho an’ireo taranaka ho avy.

Fahitsiana

Izahay dia maneho ohatra tsara ao amin’ny fifandraisana amin’ny ankolafy rehetra miara-miasa aminay. Mahitsy sady marina na amin’ny teny na amin’ny asa.

Fihoarana ny tena

Izahay dia mandany ron-doha mba hivoatra hatrany isan’andro. Vonona izahay hanatratra izay tsara indrindra.

Fahaizana miara-miasa

Izahay dia mikolokolo fifandraisana feno fifampitokisana ary mifanampy amin’ny toe-javatra rehetra mitranga. Miara mandresy izahay, ary mifampizara izay mamy amin’ny fahombiazana