Home » Aigle d’Or
Vita amin’ny hoditr’omby 100% malagasy ny kiraro AIGLE D’OR ary maro ny mankafy azy noho ny fahatezany, noho izy mampahazo aina, ary maro azo isafidianana : kiraro mihidy, kapa, kiraro avo sy compensées, hentina mianjaika, manao fanatanjahatena na anaovana andavan’andro.
Ny biraon’ny famoronana, izay miray toerana amin’ny fanamboarana kiraro dia mamolavola sy mandrafitra ny endriky ny kiraro arakaraky ny lamaody sy ny vanim-potoana. Safidiana tsara ny hoditra ampiasaina. Mampifandray ny fomba nentim-paharazana sy fomba maoderina ny fanamboaranay kiraro, manomboka amin’ny fanapahana ireo hoditra ka hatramin’ny fanjairana sy fanambarana azy, ary misy fitsirihana kalitao entitra isaky ny dingana.
Mamokatra akanjo sy kojakoja vita avy amin’ny hoditra koa izahay. Eny amin’ireo tambazotran’ny tranombarotra AIGLE D’OR ihany no anjifana ny vokatray rehetra, manerana an’i Madagasikara.