Mampifandray ny marika amin’ny mpanjifa Malagasy izahay ato amin’i BOOST – haingana, mahomby ary maharitra. Amin’ny alàlan’ny fomba fitsinjarana maro izay mandrakotra an’i Madagasikara manontolo, ataonay izay hahitana sy hisian’ny vokatra tsirairay amin’ny toerana tokony hividianana azy, amin’ny fotoana mety ary amin’ny vidiny mety. Ny fanambinay : manandratra avo ny marika amin’ny alàlan’ny fitsinjarana ireo vokatra mba ho afaka jifaina manerana an’i Madagasikara.