Lamaody manome elatra

Efa 60 taona mahery izahay no nampihaingo kiraro ny fianakaviana iray manontolo, manomboka amin’ny ankizy madinika ka hatramin’ny lehibe.
Ahafahan’ny tsirairay maneho ny maha-izy azy ny kiraronay, ary mamindra amim-pireharehana eo amin’ny fiainana, tahaka ny voromahery mampivelatra ny elany.

Vita amin’ny hoditr’omby 100% malagasy ny kiraro AIGLE D’OR ary maro ny mankafy azy noho ny fahatezany, noho izy mampahazo aina, ary maro azo isafidianana : kiraro mihidy, kapa, kiraro avo na compensées, hentina mianjaika, manao fanatanjahatena na andavan’andro. 

Manana toerana famoronana eto an-toerana izahay, izay mamolavola sy mandrafitra ny endriky ny kiraro arakaraky ny lamaody sy ny vanim-potoana. Safidiana tsara ny hoditra ampiasaina. Mampifandray ny fomba nentim-paharazana sy fomba maoderina ny fanamboaranay kiraro, manomboka amin’ny fanapahana ireo hoditra ka hatramin’ny fanjairana sy fanambarana azy, ary misy fitsirihana kalitao entitra isaky ny dingana. 

Mamokatra akanjo sy kojakoja vita avy amin’ny hoditra koa izahay. Eny amin’ireo tambazotran’ny tranombarotra AIGLE D’OR ihany no anjifana ny vokatray rehetra, manerana an’i Madagasikara.