Tahaka an’i GOUTY na PECTO, ny marika vokarinay dia tsy afa-misaraka amin’ny fiainana andavanandron’ny fianakaviana malagasy. Afaka manavao sy manolotra vokatra vaovao hatrany ho an’ny mpanjifa izahay satria avo lenta sy maoderina ny fomba fiasanay ara-indostrialy, ary manokana vola ho amin’ny fikarohana sy ny fampandrosoana ary ny teknolojia farany izahay.
Mijery manokana ny kalitaon’ny sakafo sy ny tsiron’ny vokatray izahay. Miezaka hatrany izahay mba hijanona ho mora ny vidiny, mba hahafahan’ny Malagasy rehetra mankafy ny vokatra JB.