Ny tombontsoa rehetra avy amin'ny ronono velona

Miaraka amin’i SOCOLAIT, afaka misitraka ny tombontsoa sy ny fahafinaretana azo avy amin’ny ronono velona, amin’ny endriny rehetra ny olona rehetra  : yaourt, crème fraîche, dibera, fromazy, ronono mandry mamy, koba misy ronono ho an’ny zaza. 

Avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra sy ireo seha-pamokarana madio sy azo antoka ny rononon’ Antsirabe, ary ahodina ao amin’ny ozininay mba ho lasa vokatra matsiro sy manan-danja ara-tsakafo. 

Mitondra fahasambarana ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny vokatra tsara endrika sy feno tsiro vokarinay,  ka ifandrombahan’ny ankizy sy ny tanora, hatramin’ireo efa lehibe koa aza.