Ny fanoloran-tenanay hiady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo

« Eto Madagasikara, ankizy 1 amin’ny 2 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo lalina. »
Amin’ny alalan’ny TANJAKA FOOD, manolo-tena izahay hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Miaraka amin’ny vondrona NUTRISET izahay, ary mamokatra eto Madagasikara sakafo manome aina efa vonona hampiasaina , ho fitsaboana sy fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo lalina : PLUMPY NUT, PLUMPY SUP, PLUMPY DOZ ary KALINA ZAZA, vokatra manaraka ny fenitra ara-kalitao iraisam-pirenena. 

Miantoka ny fitsinjarana ireo vokatra ho an’ny ONG eto an-toerana sy iraisam-pirenena ihany koa izahay, toy ny UNICEF sy ny Fandaharanasa Iraisam-pirenena momba ny Sakafo (PAM). 

Mpikambana ao amin’ny tambazotra Plumpyfield® izahay, izay iombonan’ ireo mpisehatra lehibe rehetra.