« Ny tanjonay dia ny hanatsara ny fiainan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fanorenana seha-pihariana eny ifotony sy ny fampivelarana vokatra sy tolotra tsara kalitao, azon’ny rehetra sitrahana. »
Karim Barday, Filoha
Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny ireto sehatr’asa telo ireto izahay : ny fambolena, ny indostria ary ny fitsinjarana.
Nandritra izay taranaka telo nifandimby izay, BASAN, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, ny mpiara-miombon’antoka ary ny mpanjifa, dia nanomboka sy nitarika tetikasa mikendry hanorina ho avy tsara kokoa ary maharitra ho an’ny ny firenena sy ny fiarahamonina eto an-toerana.
Ankehitriny, ny vondrona dia manamafy ny fanoloran-tenany amin’izany vina izany. Ny fitantanana ato aminay dia maneho fahatokisana amin’ny ho avy, mampiseho ny toe-tsaina maha-mpandraharaha anay sy ny fitiavana hanavao ary ny fikatsahana hanome ny tsara hatrany.