Satria mifandray amin’ny tantaran’ny firenena ny tantaranay, dia adidinay ny mandray anjara feno amin’ny fanomezana “fiainana tsaratsara kokoa” eto Madagasikara.
Izany no antony hanangananay seha-pihariana eny ifotony tsara sy maharitra isan’andro, hampitomboanay ny fahaizan’ny vehivavy sy ny lehilahy eto amin’ny firenena ary hitahirizanay ny harenan’ny tanintsika.
Satria ny atao ankehitriny no mamaritra ny hoavy,
– manolo-tena izahay hanome vokatra sy tolotra tsara kalitao, izay mamaly ny filàn’ny mponina sy ny mpividy,
– manolo-tena izahay handray anjara amin’ny fampivoarana ny vehivavy sy ny lehilahy manodidina anay,
– manolo-tena izahay hitandro ho farak’izay kely ny fiantraikan’ny asa ataonay eo amin’ny tontolo iainana sy handray anjara amin’ny famerenana azy amin’ny laoniny.
Izany dia fandraisanay anjara amin’ny “fiainana tsara kokoa” ho an’ny rehetra.
Ireo antoka omenay :
Développer localement des produits et des services de qualité
Contribuer au développement des femmes et des hommes qui nous entourent
Minimiser l'impact de nos activités sur l'environnement