Superviseur de Production no nidirako tao amin’i LECOFRUIT tamin’ny 2013. Nanomboka tamin’ny 2020 dia lasa Mpitantana ny LECOFRUIT Antsirabe aho, ary izany no fanamby lehibe indrindra teo amin’ny asako. Amin’ny maha mpitantana sy mpitarika tetikasa ahy, dia andraikitro ny mampandeha tsara ny asa rehetra : manomboka amin’ny famokarana, ny kalitaon’ny vokatra sy ny tolotra, hatramin’ny fanatsarana ny rojom-pamokarana.