Miaraka amin’ny vondrona NUTRISET izahay, ary mamokatra eto Madagasikara sakafo manome aina efa vonona hampiasaina , ho fitsaboana sy fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo lalina : PLUMPY NUT, PLUMPY SUP, PLUMPY DOZ ary KALINA ZAZA, vokatra manaraka ny fenitra ara-kalitao iraisam-pirenena.
Miantoka ny fitsinjarana ireo vokatra ho an’ny ONG eto an-toerana sy iraisam-pirenena ihany koa izahay, toy ny UNICEF sy ny Fandaharanasa Iraisam-pirenena momba ny Sakafo (PAM).