Home » Tanjaka Food » Ny sakafo ara-pahasalamana vonona ho ampiasaina (RUTF)
Taloha, ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika dia mbola nitaky fitsaboana ela sy lafo be any amin’ny hopitaly. Nefa niova izany rehetra izany noho ny Plumpy’Nut sy ireo vahaolana ara-tsakafo azo ampiasaina avy hatrany : afaka tsaboina any an-trano ireo ankizy, tsy mila vata fampangatsiahana na rano fisotro madio, ka mamela toerana malalaka ao amin’ny hopitaly ho an’ny vonjy taitra hafa.
Ny vokatray dia natao ho an’ireo ankizy manana filàna manokana noho ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra amin’ireo faritra izay voafetra ny karazan-tsakafo. Na izany aza, tsy mahasolo ny fampinonoan-dreny na ny sakafo voalanjalanja izy ireo, izay tena ilaina ho an’ny fitomboanan’ ny ankizy.
Araka ny fitsipika napetraky ny OMS, ny vokatray dia ampiasaina amin’ny fitsaboana. Ny ankizy voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika dia tsy maintsy arahin’ny mpitsabo akaiky, eny amin’ny hopitaly na amin’ny fitsaboana ivelan’ny hopitaly. TANJAKA FOOD kosa dia manolo-tena hanome vokatra mifanaraka amin’ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-tsakafo ilain’ireo mpiasa eny ifotony.
Plumpy’Nut dia koba vonona hoanina, natao manokana hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo tena mahery vaika eo amin’ny ankizy 6 volana no ho miakatra. Sady manankarena proteinina, vitamina ary mineraly ilaina izy, ka manampy amin’ny fitomboan-danja haingana sy ny fiverenan’ny fahasalamana.
Ampiasaina eo ambany fanaraha-mason’ny mpitsabo, Plumpy’Nut dia azo anoloana ny ronono fitsaboana, ka mahatonga ny fitsaboana an-trano ho mora kokoa. Ny fonosana kely tsirairay dia natao ho mora hoanina, tsy mila atao anaty rano ary tsy mila fikarakarana.
Plumpy’Sup dia fanampin-tsakafo vonona hoanina, natao hanasitranana ny tsy fanjarian-tsakafo antonony eo amin’ny ankizy 6 volana no ho miakatra.
Satria manankarena proteinina, vitamina ary mineraly ilaina izy, dia manampy ireo ankizy hiverina amin’ny toe-pahasalamana tsara ary misoroka ny fiverenan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.
Mora hoanina izy, tsy mila fikarakarana, ary mety tsara atao fanampin-tsakafo. Ny fonosana kely sy mora ampiasaina dia manamora ny fitsaboana sy miantoka ny fiarovana.
Plumpy’Doz dia koba ara-tsakafo manankarena, natao hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika eo amin’ny ankizy 6 volana no ho miakatra.
Satria manankarena proteinina, vitamina ary mineraly ilaina izy, dia manohana ny fitomboana sy ny fivoaran’ny zaza madinika.
Mora hoanina, tsy mila fikarakarana, ary manampy tsara amin’ny sakafo isan’andro sy ny fampinonoan-dreny. Ny fonosana kely dia miantoka fampiasana tsotra sy azo antoka.
Kalina Zaza dia koba ara-tsakafo natao manokana hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mandritra ny 1000 andro voalohany amin’ny fiainan’ny ankizy 6 ka hatramin’ny 24 volana, miaraka amin’ny fampinonoan-dreny sy ny sakafo andavanandro.
Manankarena vitamina, mineraly ary menaka ilaina izy, ka manampy amin’ny fitomboana sy ny fivoaran’ny zaza, no sady misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo.
Azo hoanina avy hatrany, tsy mila fikarakarana, ary azo ampiarahana tsara amin’ny sakafon’ny ankizy isan’andro. Ny fonosany mora ampiasaina dia miantoka fihinanana azo antoka sy mifanaraka amin’ny filàn’ny zaza madinika.
Le bracelet MUAC : un outil simple pour détecter la malnutrition infantile
Le bracelet MUAC (Mid-Upper Arm Circumference, en français : Périmètre brachial médian) permet d’évaluer rapidement l’état nutritionnel des enfants âgés de 6 mois à 5 ans. Il mesure la circonférence du bras, au milieu entre l’épaule et le coude. Cette mesure reflète la masse musculaire et la graisse corporelle, des indicateurs fiables de la malnutrition aiguë.
Le bracelet est codé par couleurs pour faciliter la lecture :
Facile à utiliser, même sans formation médicale, le bracelet MUAC est un outil essentiel en milieu communautaire, notamment dans les zones rurales ou lors de situations d’urgence.
Ny fehin-tanana MUAC : fitaovana tsotra hamantarana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy
Ny fehin-tanana MUAC (Mid-Upper Arm Circumference na Fandrefesana ny hatevin’ny sandry) dia mandrefy haingana ny toe-tsakafo eo amin’ny ankizy 6 volana ka hatramin’ny 5 taona. Mandrefy ny manodidina ny sandry eo afovoan’ny soroka sy kiho izy. Ny refy dia ahafantarana ny hozatra sy ny tavy anaty vatana, izay famantarana azo antoka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.
Ny fehin-tanana dia misy loko mora vakiana :
Mora ampiasaina na dia tsy mpitsabo aza, ny fehin-tanana MUAC dia ampiasaina any ambanivohitra na amin’ny fotoan-tsarotra.