Ny iraka tanterahinay

“Ny ronono dia tsy akora fotsiny; fa tena loharanon’aina.”
Emmanuel Perrin, Tale SOCOLAIT
Ato amin’i SOCOLAIT, mino tanteraka izahay fa afaka manome aina sy hery ny ronono, manatsara ny fiainan’ny mponina, indrindra ny ankizy.​ Izany no mahatonga anay manolo-tena isan’andro amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny ronono eto an-toerana. Ny tanjonay dia ny hankalaza ny herin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fizaràna vokatra vita amin’ny ronono velona avy ao Antsirabe, ho an’ny tokantrano tsirairay. Vokatra tsara kalitao, matsiro ary mahasalama.