Anisan’ny sakafo feno sy be mpihinana indrindra eran-tany ny ronono. Efa an-jato taona maro izy no foto-tsakafo ho an’ny olombelona noho ny otrikaina tsy manam-paharoa ananany. Amin’ny fotoana rehetra iainan’ny olona, ny ronono dia namana amin’ny fitandroana fahasalamana.
Ny veran-dronono iray (250 ml) dia mitondra eo amin’ny 8 grama amin’ny protéines tsara kalitao. Ireo protéines ireo, toy ny caséine sy lactosérum, dia ilaina amin’ny famoronana sy fanavaozana ny hozatra, indrindra rehefa avy manao fanatanjahantena. Ankoatra izany, misy eo amin’ny 12 grama “glucides” ao aminy, amin’ny endrika lactose, izay manome hery sy manampy amin’ny fangalana otrikaina toy ny calcium.
Ny ronono dia iray amin’ireo loharano tsara indrindra hahazoana calcium. Ny veran-dronono iray (250 ml) dia efa manome eo amin’ny 30% amin’ny filàn’ny vatana isan’andro. Ity mineraly ity dia tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny taolana sy ny nify. Ohatra, ny fisotroana ronono tsy tapaka dia manampy amin’ny fisorohana ny “ostéoporose”, aretina manalemy ny taolana. Ho an’ny olon-dehibe, ny fisotroana vera roa isan’andro dia efa ahazoana ny 60% amin’ny filàna calcium isan’andro.
Ankoatra ny calcium, ny ronono dia manankarena vitaminina ilaina amin’ny vatana. Ahitana vitamina D ao aminy, izay manampy amin’ny fazahoana calcium sy fisorohana aretin-taolana. Manankarena vitamina B12 ihany koa izy, izay tena ilaina ho an’ny fiasan’ny saina sy ny sela mena. Ahitana vitamina A sy B2 (riboflavine) koa, izay manampy amin’ny fahitana tsara sy hananana “métabolisme énergétique” mahomby.
Ny ronono feno dia misy menaka 8 grama isaky ny vera, ka manome hery. Ireo menaka ireo no manampy amin’ny fandraisana vitamina (A, D, E, ary K). Ireo manara-maso ny fihinanana menaka, dia afaka misafidy ronono kely menaka na ronono tsy misy menaka, izay mitazona ireo tombontsoa ara-tsakafo mitovy, saingy ambany kaloria kokoa.
Misy rano eo amin’ny 90% ny ronono, ka mahatonga azy ho zava-pisotro manala hetaheta voajanahary. Efa voaporofo tamin’ny fikarohana fa mahomby, ary indraindray mihoatra aza noho ny zava-pisotro “isotoniques”, ny ronono amin’ny famerenana hery aorian’ny fanatanjahantena, noho ny fifandanjan’ny protéine sy électrolytes ao aminy. Rehefa avy manao fanazaran-tena mafy, ny veran-dronono iray dia manampy amin’ny famerenana hery sy fanavaozana ny hozatra.
Maro ny fomba fampiasana ronono amin’ny sakafo. Amin’ny sakafo maraina, ny serealy miaraka amin’ny ronono dia efa manome sakafo tonga lafatra ahitana glucides, protéines ary vitamina. Ho an’ny ankizy, ny veran-dronono iray miaraka amin’ny voankazo amin’ny “goûter” dia efa sakafo feno sy mahasalama. Ao an-dakozia, ny ronono dia ampiasaina amin’ny fanaovana sauces malefaka, purées, na tsindry sakafo toy ny flans na crèmes caramel.
Ny ronono dia safidy tsotra nefa manan-danja, manome otrikaina feno ho an’ny fianakaviana manontolo.