Resy lahatra izahay fa ny fihinanana vokatra vita avy amin’ny ronono dia…
manampy amin’ny fiatrehana ny tontolo andro iray
Mampavitrika
Mampivelatra
Mitondra hery sy tanjaka
Izay no antom-pisianay
Manolotra anao ny tsotra sy azo antoka
Manohana anao isan’andro,
Manome ireo otrik’aina manosika anao hiroso hatrany
Mitondra ny anjara biriky amin’ny fahatratrarana ireo tanjonao sy
Ny fahatanterahana ireo nofinofinao
Natao ho antsika malagasy rehetra
YAMA, misitraka ny tena ilaina ary miaina tsotr’izao
YAMA.
Tsara kokoa ny fanombohan’ny andro miaraka amin’ny vokatra vita amin’ny ronono tsara. Manome anao hery handroso, tanjaka hitombo tsara ary herim-po hahomby.
YAMA dia manolotra vokatra vita amin’ny ronono tsara kalitao, ara-pahasalamana ary azon’ny rehetra jifaina. Manome hery anao isan’andro mba hahatratrao ny tanjonao sy hanatanterahanao ny nofinao.
YAMA, satria ny tena zava-dehibe dia ny hahafahan’ny tsirairay miaina tsara, tsotra fotsiny.
Ny yaourts
Amin’ilay endriny marihatra tsara, manome ny hery ilainao isan’andro ny yaourt YAMA.
Manala hetaheta sy manome aina, ireo yaourts à boire YAMA dia namanao raha toa ka mila mangatsiatsiaka ianao.
KLARINETY, ilay sakaizan’ny ankizy.
Miaraka amin’izy ireo hatrany rehefa miala voly sy rehefa mirava, manome hery sy fahafinaretana..
Ny fromazy
Ny fromazy YAMA no tena tsara isan’andro.
Na aorian’ny sakafo izany, na hatao anaty mofo, dia ho babo ianao noho ilay tsiro malefaka izay tena mampiavaka azy.
Ny crèmerie
Ny crème fraîche YAMA no akora tsara indrindra ho an’ireo tia manamboatra sakafo matsiro.
Mora mifangaro amin’ny lasopy na saosy isan-karazany, ary azo avadika ho crème chantilly hanatsarana ny tsiron’ny tsindrin-tsakafo, ho fahafinaretan’ny fianakaviana iray manontolo.
Ny ronono
Azo ampiarahana tsara amin’ny zava-pisotro mafana, ny Creamer YAMA dia manome tsiro mamy sy manintona amin’ny fotoana fialan-tsasatra.